« CDN3 »: Hamafisina ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro

Atao ny 11 sy 12 marsa izao ny atrikasa fakan-kevitra nasionaly hiatrehana ny fio­van’ny toetr’andro, entina hamolavolana ny Fandraisana anjaran’ny rehetra eto Ma­dagasikara andiany fahatelo (CDN3). Zava-dehibe ity atrikasa fakan-kevitra ity, satria mandray anjara ao daholo ny mpisehatra tsy ankanavaka, heverina fa manan-danja eto Madagasikara amin’ny lafiny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny BNCC-REDD+. Nampahafantarina ny paikady sady notombanana ny fivoaran’ny CDN3.
Nohamafisina ny laharam-pahamehana isaky ny seha-pihariana, toy ny ho an’ny angovo, ny fambolena, ny ala (Redd+), ny fitaterana, ny fitantanana ny fako, ny famokarana ara-pambolena, ny loharano, ny morontsiraka, ny fahasalamana, ny fotodrafitrasa, ny tontolo mananaina, sns. Nojerena ny zavatra simba sy ny fatiantoka vokatry ny fiovan’ny toetr’andro.
Nampidirina anaty lohahevitra daholo ireo mpisehatra voakasika rehetra. Toy, ny fampitovian-jo ny lahy sy ny vavy, ny fandraisana anjaran’ny saranga sosialy rehetra, ny fahasalamana, ny tanora, ny Toekarena manga, ny zon’olombelona, ny fiarovana ara-tsalafo, sns. Tanjona ny hisian’ny CDN3 azo tanterahina, azo refesina, mifanandrify amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana maharitra (ODD) napetraky ny ONU.
Marihina fa firenena marefo i Madagasikara manoloana ny loza voajanahary toy ny rivodoza, haintany, fihotsahan’ny morontsiraka, …, mahantra ny mponina,…, na dia kely, latsaky ny 0,2% aza ny tahan’ny fiparitahan’ny Entona mangeja hafanana (GES).

Njaka A.

Partager sur: