VAOVAO TAMBATRA

Miisa 280 ny zana-tsokatra tratran’ny zandary tany Nosy Be, ny alin’ny 7 marsa teo. Olona 5 no tratra tao amin’ny trano iray any Dzamandzar, ka anisany ny tompon-trano sy ny olona iray voatonona fa nitondra ireo sokatra ireo, izay voalaza fa nokasaina haondrana any ivelany. Tsiahivina fa lehilahy telo no tratra nitazona zana-tsokatra miisa 167 tany Toliara, ny 3 marsa teo. Nampidirina vonjimaika am-ponja izy 3 lahy taorian’ny fiatrehana ny Pac Antananarivo, ny 9 marsa teo.

Manodidina ny 91,80 dolara ny vidin-tsolika iray barila (1b=159 L), eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, omaly 11 marsa. Mbola 85 dolara/b ny vidiny ny 4 marsa fa nidangana tampoka, raha vao nihamafy ny ady eo amin’ny Iran sy ny Israel ary Etazonia. Eto amintsika, miova isam-bolana ny vidin-tsolika ho an’ny mpanjifa, ary nihena 200 Ar, raha oharina ny tamin’ny volana febroary.

Manao antso tolotr’asa ho tale jeneraly ny Orinasa mitantana ny fitaterana an-dalamby an-tanàn-dehibe (Setu), ny ao amin’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Teratany malagasy, manana diplaoma Bacc+5, traikefa amin’ny fitaterana sy ny fitantanana ara-panjakana sy ny orinasa. Amin’ny 24 marsa ny fe-potoana farany fandraisana ny antontan-taratasy eny amin’ny foiben’ny minisitera Anosy.

Partager sur: