Ankalazaina tsy tapaka isan-taona ny «Andro eran-tany ho an’ny poezia». Mifanaretsaka ny fanatanterahina hetsika isan-karazany. Nitondra inona izy ireny raha eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana ? Mety misy ihany fa ampahany kely raha ho an’ny fampivelarana ny maha olona sy ny hoavin’ny firenena iray manontolo. Noho izany, mila omena lanja ny tononkalo. Mbola maro amin’ny Malagasy no mihevitra fa hoentina mamalifaly ny sofina, na ampiasaina hikitihina ny fon’ireo izay maheno azy fotsiny ny tononkalo.
Ao anatin’ny tononkalo no misy ny fanajana ny teny malagasy. Maro amin’ireo mpanoratra no tsy mamoaka ny asasorany raha tsy efa nampandalovina tamin’ny mpahay na mpampianatra teny malagasy izany. Mbola voarakitry ny tononkalo ihany koa ny hasin’ny teny. Na eo aza ny fampiasana ny voambolana ankehitriny. Maro amin’ny mpanoratra no miezaka mamoha ireo «teny hery, teny hoenti-manabe sy mitaiza, teny anatra…» ao anatin’ny tsanganasany. Ireo no anisan’ny tsy ampy eo amin’ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Nanjary voasolo (na nosoloina) «teny ratsy, ompa, ozona, kivalavala…».
… Noho izany, mila omena lanja lehibe ny tononkalo. Omena «toerana» tsara ao anaty fandaharam-pianarana. Manampy amin’ny faharanitan-tsaina sy fitadidiana, rahateo, izy. Mitaky adidy lehibe amin’ny mpanoratra ihany koa, anefa, ny fametrahana ny lanja aman-kasin’ny tononkalo.
HaRy Razafindrakoto




