Notanterahina teny amin’ny YMCA Ankerana ny dinika momba ny fampivoarana ny asa noho ny firoboroboan’ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’izao fotoana. ” Ahoana ny hanànana asa matihanina anatin’ny fivoaran’ny IA?”.
Nivoitra izany nandritra ny hetsika “Carrer Talks” izay nokarakarain’ny Arisera niaraka tamin’ny YMCA Madagascar sy Peak Business Partner. Nifanakalo hevitra momba ny tontolon’ny asa manoloana ny fivoaran’ny teknolojia ary ny zava-misy eto Madagasikara ireo matihanina sy mpianatra manodidina ny 50. Nivoitra tao anatin’izay fa manodidina ny 10 000 isan-taona ny asa ara-dalàna miforona eto Madagasikara raha toa ka maherin’ny 500 000 kosa ireo tanora vao nahavita fianarana hiditra eo amin’ny tsenan’ny asa.
Tombanana ho 33 tapitrisa ny isan’ny mponina, ny taona 2026, ka latsaky ny 25 taona avokoa ny 60%. Misy elanelana, araka izany, ny fampiofanana omen’ny sekoly sy ny sehatry ny toekarem-pirenena. Mbola sarotra ho an’ny mpiara-monina ny manavaka ny fampananan’asa sy ny asa. “Manova ny fomba fiasantsika ny IA ka tokony hianatra hiara-miasa amin’ireo fitaovana ireo ny mpisehatra”, hoy i Fabrice Lollia, manam-pahaizana manokana momba ny siansa sy ny serasera, sady filoha mpanorina (CEO) ny Peak Group. “Zava-dehibe ny fahaiza-miatrika ny fiovana sy ny fanànana faharetana amin’ny asa”, hoy kosa ny CEO n’ny Human Talent Consulting, Ratsisalozafy Marylène. Aminy, tokony hampivelatra ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ny fitondrana zava-baovao, ny fahaiza-midinika. Tsy hahasolo milina velively ny fahaiza-manao sy ny fahalalan’ny olombelona.
Toekarena niomerika
Nifampizarana ny paikady ahafahan’ny IA manampy ny olombelona hampiroboroboana ny toekarena niomerika. Ankoatra izany, nisy ny seho «slam», nataon’i Orad, tompondakan’i Madagasikara tamin’ny fifaninana Slam, ny taona 2024. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa “Pharmakon Gig Economy”, izay tohanan’ny Africa No Filter amin’ny fandaharanasa Work Reimagined StoryLab. “Tanjona ny hampifandray ireo hevitra nifampizarana amin’ny zava-misy eto Madagasikara», hoy Raolison Heriniaina, mpandray anjara tamin’ny dinika.
Henintsoa




