VAOVAO TAMBATRA

Mikendry hanokatra sehatra ho an’ny dinika stratejika sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andrim-panjakana, ireo mpisehatra amin’ny niomerika ary ny fahafahana mamorona asa ho an’ny tanora. Ireo no tanjona apetraky ny hetsika Espace jeune entrepreneurs (EJE Shift), tanterahina etsy amin’ny Orange Digital Center, Soarano. Sehatra manan-danja entina manentana ny tanora hiroso bebe kokoa amin’ny fandraharahana sy ny fanavaozana niomerika, hanohanana ny fampandrosoana ny toekarena sy ny famorona asa eto amin’ny firenena, izany.
Hampitomboina manomboka androany, isaky ny sabotsy, ny zotra mampitohy an’i Soarano sy Ambohimanambola ataon’ny Train urbain. Hisy ny fiaingana amin’ny 8 ora sy sasany, 11 ora sy sasany maraina ary amin’ny 4 ora hariva eo amin’ny gara Soarano raha toa ka miverina avy any Ambohimanambola amin’ny 9 ora latsaka fahefany maraina, amin’ny 1 ora latsaka fahefany tolakandro ary amin’ny 5 ora sy fahefany hariva indray ny zotra. Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny mpandeha sy ho fampandrosoana ny fitaterana.
Velon-taraina manoloana ny habetsaky ny vary akotry ny tantsaha ka misy amin’izy ireo no mivarotra fatiantoka. Na izany, mandray an-tanana sy mividy ireo vokatra ny orinasa SPM ho fanohanana ny mpamboly sy hamatsiana ny tsena. Tanjona ny hitondram-bahaolana sy hijerena manokana ny famokarana eto amintsika, hisorohana ny fanararaotana amin’ny endriny samihafa ataon’ny mpandraharaha sasany.

Partager sur: