Toarian’ny niakarany fitsarana teo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly ( PAC) ao 67 Ha, nidoboka am-ponja vonjimaika ny lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana eo anivon’ny disitrikan’ i Vavatenina,
ny alakamisy 9 febroary teo. Voasaringotra tamin’ny raharaha fanodikodinam-bola ny “caisse école” tao an-toerana, voatondro ho nanao fanararaotam-pahefana koa ity lehiben’ny Cisco ity. Naharitra ora efatra ny fihainoana am-bavany azy teo anivon’ny PAC.
Tsy izy irery, mbola voasaringotra tamin’ny fampidirana mpianatra ho mpiasam-panjakana koa ny vadiny. Nampidirin’io lehiben’ny Cisco io ho ao anaty lisitry ny mpampianatra mpiasam-panjakana io vadiny io kanefa vao fotoana vitsy no nidirany tao amin’ny sehatry ny fampianarana. Nampiakatra ny hatezeran’ireo mpanabe sasany ao Vavatenina izany satria misy amin’izy ireo efa nampianatra an-taonany maro saingy tsy mbola voaray ho mpiasam-panjakana. Nidoboka am-ponja vonjimaika noho izany ity lehiben’ny Cisco ao Vavatenina ity ary miandry ny fitsarana azy. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa ny vadiny.
Sajo/ Tsiferana R.