Halatra vy: lasibatra ny varavaram-pasana

Tratra ambodiomby teny Ambohitreno-Ambohimalaza omaly, ireo roa lahy nibata varavaram-by miisa sivy teny an-toerana. Mbola nahitana rojo sy “cadenas” avokoa izany, hoy ny zandarimaria. Voalaza tao anatin’ny  famotorana fa varavaram-by amin’ireo fasana eny amin’ny manodidina daholo izany. Tsy nijanona teo ny fanadihadiana, voasambotra ihany koa ny vehivavy iray mpandray ireo entana halatra. Omaly, tra-tehaky ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray mpiara-mividy vy amin’ilay vehivavy iray io. Taorian’izay, nogiazana avokoa ireo entana halatra rehetra ary haverina amin’ny tompony avy izany. Nampandrenesina ny tompon’andraikitry ny fokontany mba hampandre an’ireony roa lahy hafa tafaporitsaka nandritra ny fisamborana natao. Hiakatra eny anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana rehetra.

Henintsoa H. 

Partager sur: