Mikasa ny hanarina ny sehatry ny hasy i Madagasikara, raha ny nambara nandritra ny fikaonandoham-pirenena hanarenana ny toekarena. Tanjona ny hanova ity akora ity ho fototra hampandrosoana ny indostrian’ny lamba eto an-toerana. Kendrena ny hampitombo ny famokarana manerana ny Nosy mba hahafahana manodina izany eto an-toerana. Heverina fa hanampy amin’ny fampakarana ny sandan’ny vokatra aondrana ka hanamafy ny toeran’i Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena izany. Hiandraikitra ny fanatanterahana ny tetikasa ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ka hampifandray ny mpamboly sy ny indostria. Hizara masomboly voafantina, hanamafy ny tohana ara-teknika eny ifotony, ary hanamora ny fahazoana famatsiam-bola ny fanjakana hanatanterahana ny tetikasa. Vaindohan-draharahan’ny fanjakana ny hanamafy ny fahafahantsika manararaotra ny tsenan’ny fanondranana sy ny rafitry ny Agoa, indrindra ny hampihena ny fanafarana lamba avy any ivelany.
Henintsoa




