Saron’ny polisim-pirenena ny alarobia teo ireo efatra mianadahy mpivarotra héroïne eny amin’ny faritra 67ha. Ny talata teo, nisy olona nitaraina teny amin’ny polisy fa misy andian’olona manimba ireo tanora amin’ny varotra zava-mahadomelina. Vokany, nitsirika ireo olona voalaza ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray sy vehivavy iray no hita nijorojoro sady nampiahiahy. Voasambotra sy natao famotorana izy ireo ary mbola nahitana “héroïne” milanja 4grama. Nandritra ny fanadihadiana, nilaza ireto voasambotra fa misy mpanatitra io rongony io eo aminy ary mivarotra izany fotsiny izy dahy. Nilaza kosa ilay vehivavy fa mitsindrona izany. Tratra taorian’ny vela-pandrika natao koa ireo roa lahy mpamatsy azy ireo. Omaly, niakatra fampanaovana ny raharaha. Ankoatra izay, lehilahy iray sy tovovavy tsy ampy taona iray no saron’ny polisy nitsindrona io zava-mahadomelina mahery vaika io afakomaly, teny Ambatolampy Ambohibao. Tratra ambodiomby nanao izany izy ireto ka natao famotorana. Nambaran’ilay lehilahy tamin’izay fa efa nandray io rongony io nandritra ny enim-bolany izy. Ary vidiany 5.000Ar ny fonosana iray. Ilay tovovavy 17 taona io kosa no mpaka izany.
Henintsoa H.