Betsaka ny tombontsoa ara-toekarena mahakasika ny tetikasan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) hanova ny rafitry ny vola eto Madagasikara. “Hampakatra ny lanjan’ny Ariary sy hifehezana ny fivezivezen’ny vola ary hampakatra ny tahan’ny fampiasana banky (taux de bancarisation) izany”, araka ny fanazavan’ny mpahay toekarena, Rakotoarisoa Tahina. Anatin’ny vanim-potoan’ny teknolojia ihany koa isika izao ka heveriny ho antony mahatonga ny BFM manana tetikasa mba hiroso amin’ny fampiasana ny Mobile Banking. Araka izany, hanamora ny fampiasana ny vola amin’ny andavanandro ny tetikasa. Tanjona ny hampihenana ny isan’ny aotra mba hanamorana ny fikirakirana ny vola. Ary hitovy sanda amin’ny vola vaventy 20 000Ar misy amin’izao fotoana ilay vola 1 000 Ar. Nambaran’ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo, fa “ny hanampy hifehezana ny vitesse monétaire sy ny masse monétaire ny fanafoanana ireo ravimbola manomboka amin’ny 2 000 ka hatramin’ny 20 000 Ar”. Marihina fa manohana ny fanavaozana ity rafitra vaovao ny vola ity ny mpahay toekarena hamerenana ny lanjan’ny vola malagasy. Na izany, mbola anatin’ny fanadihadiana amin’ ny fomba hanatanterahana ny tetikasa ny BFM.
Henintsoa




