Faritra Analamanga: nohavaozina ny drafitra fiomanana amin’ny hamehana

Nisy atrikasa fanavaozana ny drafitra fiomanana ho amin’ny hamehana ho an’ny faritra Analamanga. Tonto­saina mandritry ny roa andro teny Manjakaray, araka ny fampitam-baovao avy amin’ ny BNGRC, tamin’ity herinandro ity izany. Ao anatin’ ny vanim-potoan’ny fahavaratra tanteraka izao ka tsy mbola tara ny fiomanana ny ho amin’izany. Iray foana ny tanjona, raha hiresaka fanavaozana ny drafi-piatrehina ny hamehana dia ny fanamafisana ireo lamina sy pai­kady hiatrehana ny rivodoza sy ny ranobe izay mety hi­tranga mandritra ny fotoam-pahavaratra. Napetraka ho fomba fiasa hampahomby ny fampiasana ny drafitra ny fahaiza-mandrindra sy ny fiaraha-mientana ary ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay. Tafiditra ao anatin’ny asa fiomanana ho fiatrehana ny rivodoza ny fanavaozana drafitra fampihenana ny fahavoazana mety hahazo ireo vahoaka sy ny fananany ary ireo fotodrafitrasa. Aha­fahana miaro ny vahoaka
sy ny fananany amin’ny fiatraikan’ny loza izay mety hitranga ny fiomanana mialoha.
Mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatontosana ny atrikasa ny Unicef miaraka amin’ny Birao nasionaly misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindomin-doza (Bngrc) eo amin’ny fandrindrana. Nanatrika ny atrikasa ny tafika sy ireo tomponandraikitra misehatra amin’ny fitantananana ny loza sy ny tandindon-doza.

Vonjy A.

Partager sur: