Efa nokarohina hatry ny ela…: tratra ireo jiolahy roa mpivarotra finday halatra

Voasambotry ny polisy misahana ny heloka an’habaka Anosy, teny Ambodin’Isotry, ny talata teo, ireo mpangalatra finday gagilahy eto an-drenivohitra.

Jiolahy nokarohina efa ha­try ny ela ireto roa lahy tratran’ny polisy. Raha ny fanazavan’ireto farany, maro ny fitarainana voarain’ity sam­pandraharaha ity momba ny fisian’olona mivarotra finday avolenta kanefa halatra sy tsy marim-pototra. Nametraka ny vela-pandrika ny polisy. Niroso tamin’ny fisavana ny tranon’izy ireo. Nahitana finday maromaro sy fonon’ny finday efa lafo tao. Manana kaonty hosoka marobe amin’ny tambajotran-tserasera izy roa lahy. Manao filazana amin’ireo vodrona fiserana finday avolenta. IPhone, Samsung, Redmi… no tena amidy. Sahy manatona any an-tranon’ilay mpividy mihitsy izy ireo manatitra ilay entana halatra. Manaiky alaina sary ka manao izay hahalafosana izy ireo.

Avy any La Réunion
Lazain’izy roalahy fa manafatra finday avy any La Réunion izy ireo rehefa manontany ny mpividy. Tsy vitan’izay, mahasahy manao fifanarahana ara-barotra mi­hitsy. Vokany, olona efatra no efa voasaringotra nividy entana halatra tany amin’izy ireo. Nanome ny taratasy ara-barotra nifanaovany tamin’ny mpi­varotra izy ireo nandritra ny famotorana teo anivon’ny Cybercriminalité. Manama­rina izany ny kara-panondron’ny iray amin’izy roa lahy.
Miova kaonty isaky ny mahalafo finday ireto jiolahy. Fafany avy hatrany ireo olona avy nivarotany finday.
Mampiasa puce halatra izy ireo rehefa mifanao fotoana amin’ny mpividy. Potehiny avy hatrany ireo puce raha vao vita ny fifampivarotana. Mpandray halatra izy roa lahy nandritra ny fanadihadiana azy ireo. Efa misy olona mpanatitra entana sy mpamatsy finday halatra.

Jean Claude

Partager sur: