Antenimieran-doholona : hanao tetikasa lavitr’ezaka miaraka amin’i Frantsa

Noraisin’ny filohan’ny An­tenimierandoholona, Raza­fimahefa Herimanana, omaly tetsy Anosy, ny loholona fran­tsay, Rtoa Samantha Caze­bonne sy ny masoivohon’i Frantsa eto amintsika, Arnaud Gaulois. Nanatrika ny fotoana koa ny kestiora, Eddie Fer­nand Serge.
Noresahana ny lafiny fampianarana, ny kolontsaina ary ny tontolo iainana. Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa ahazoan’ny andaniny sy ny ankilany tombontsoa.
Nilaza ity loholona frantsay ity fa tsy hijanona amin’ireo sehatra telo ireo ny fiaraha-miasa, fa hitarina amin’ny lafin-javatra hafa, toy ny tetikasa fampandrosoana maharitra. Marihina fa mpikambana ao anatin’ny vaomiera miadidy ny kolontsaina, ny fanabeazana ary ny fifandraisana ny tenany ao amin’ny Ante­nimierandoholona frantsay sy amin’ny fikambanana hafa.
Nisaotra ireo delegasiona ireo ny filohan’ny Antenime­randoholona, Razafimahefa Herimanana, satria zava-dehibe tokoa ny fihaonana toy izao. « Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ihany koa ny fanatsarana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanadiovana ny tanàn-dehibe eto amintsika », hoy ihany izy.

Njaka A.

Partager sur: