Mitaky fahasahiana

Miverina indray ny fanaovana politika sadasada ho an’ny sokajin’olona sasany. Manorina fahefana ambony fanaovana takalonaina sy ady an-tsena. Mahakamo ny manaraka ireo tambajotran-tserasera eto Madagasikara. Zary fifanalam-baraka amin’ny samy Malagasy sisa. Tena tsy misy tahotra sy henatra ny olona izay heverina ho manampahaizana fa mahasahy mifanompa.
Anisan’ny tena ilana fanavaozana eto amin’ny tanàna ny fifehezana ilay serasera ana habaka. Mirefarefa amin’ny tany loatra ny zava-mitranga. Aiza ve ka eny no mifanasa vangy amin-draha tsy fampiseho masoandro? Tsy misy hajany intsony na ny mpitondra na ilay fitondrana, eny hatramin’ilay samy Malagasy. Very hasina ny rehetra! Nosoloina vola ny maha olombelona.
Mibaribary fa olona no naongana. Notohizana ny fomba amam-panaon’ny teo aloha, indrindra ny fanaovana serasera. Lasa ilay tambajotran-tserasera no heverina ho fitaovam-piadiana mahery vaika, andaniny. Na seha-panovozan’angovo hakana fanapahan-kevitra iray. Toy izay hatrany no fizotrany, hany ka tsy misy mba zavatra mandroso fa mivoaka miditra toa lelon-jaza.
Mila mahasahy mijoro manao zavatra tsara anefa ny rehetra. Tsy ny manampahefana ihany, fa na ny nampindrana ilay fahefana aza. Tsy valalabemandry intsony fa olona efa nofohazin’ny GenZ. Mitaky fahasahiana ny mety mba ho fifehezana ny facebook. Fidiram-bolan’ny ankohonana any amin’ny firenen-kafa, famotehana olona kosa ho an-dRamalagasy?
Olona miiba, tsy mahay manararaotra ny zava-misy ilay zanak’i Gasikara. Asa, jenjin’ilay ory hava-manana kanefa tsy naman’ny ory angaha? Mampiteny ny tsy mahay miteny mihitsy ilay toe-javamisy. Famingavingana, fanozonana, famonoana hasina izay sendra ny vava. Lasa mibaribary ilay fahantrana ara-tsaina, manampy ilay tsy fananam-bola. Mampisaina!

r.r

Partager sur: