Niakatra ny lentan’ny fifaninanana “Grand Slam”, taranja Judo, notontosaina tany Paris, natao ny herinandro lasa teo. Judokas kalaza avokoa no nifandona tamin’ny solontena Malagasy ka tsy tafavoaka teo amin’ny fihodinana voalohany izy 3 mianadahy niatrika ny fifaninanana. Tsiahivina fa Randrianasolo Lova Mahaisoa, sokajy latsaky ny 73 kg, Rakotoarivony Royal, sokajy latsaky ny 100 kg ary i Vital Christiane, sokajy latsaky ny 57kg, vehivavy no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity “Grand Slam de Paris” ity izay samy resy avokoa. Na eo aza anefa ny faharesena, tombony ho an’ny mpikatroka Malagasy foana rehefa miatrika fifaninanana goavana toy izao, ny fahazoana traikefa, araka ny nambaran’ny mpanazatra azy ireo, Raoelison Vola. Lesona hiakarana amin’ny ambony kokoa indray amin’ny manaraka ny faharesena toy izao, hoy kosa ny nambaran’i Lova Mahaisoa, Judokas Malagasy.
Hifantoka amin’ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy hatao eto Madagasikara indray izao, ny mpikatroka Malagasy manomboka amin’ity volana febroary ity. Fiofanana hiarahana amin’ilay teratany japoney, i Tomakazu Iwahori ny fandaharam-potoana manaraka ho an’ny federasiona malagasin’ny Judo.
Mi.Raz