Araka ny vaovao hita omaly tao anaty tambajotran-tseraseran’ny fifaninanam-pirenena “Orange Pro League” dia lalao efatra ihany no hatao androany sy rahampitso. Araka izany, handray lalao telo ny eto Antananarivo, lalao tokana any Toamasina. Raha ny vaovao voaray, noho ny fangatahana nataon’ireo mpilalao Barea mba hiala sasatra kely, no antony nanemorana ny lalao sasany.
Tsiahivina fa izy ireo izay avy nanao ny Chan 2022, tany Alzeria. Ankoatra izay, hihaona eo amin’izay andro fahadimin’ny OPL izay, ny Ajesaia sy ny Uscafoot. Lalao izay atao rahampitso eny Ambohidratrimo. Izy ireo izay ao amin’ny vondrona kaonferansy avaratra.
Fitia (Mpianatra asa)
Ny fandaharan-dalao rehetra :
11/02/2023
Kaonferansy avaratra
Kianja Toamasina
2 ora sasany : As Fanalamanga vs Tia Kitra FC
12/02/2023
Kianja Ambohidratrimo
2 ora sasany : Ajesaia vs Uscafoot
Kaonferansy atsimo
11/02/2023
Kianja Elgeco
2 ora sasany : Mama Fc vs Jet kintana Fc
12/02/2023
Kianja Elgeco
2 ora sasany : Disciples Fc vs Zanakala Fc