Asa haingana mivaingana

 

Ela no niandrasana ny fijoroan’ny governemanta? Nanantena fanovana sy fanavaozana ny rehetra… Lalàn-javatra, misy ny tonga tamin’izay nampoizina, ao ny tsy hita be ihany na diso fanantenana aza. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay, na izay heverina sy kendreny amin’izany, Na izany aza, mila asa haingana sy mivaingana ny rehetra. Mba tena irosoana ny hoe fanovana sy fanavaozana. Ho tanteraka sy hiainana tokoa ny hoe minisitra “Choc choc”, itakiana vokatra eo no ho eo ary sahy manapa-kevitra amin’izay tokony hanaovana izany fa tsy miandry baiko. Tsy vitan’izay, mba hisy fiantraikany tokoa amin’ny asa atao hoe fitsikilovana lainga tamin’ny fitaovana manokana “Polygraphe”.
Atao izay lazaina, ary lazaina izay atao. Tsy hisy intsony ny fampanantenana tsy tanterahina? Indrindra ny fanaovan-javatra tsy hakana ny hevitr’izay voakasika mivantana. Izay no mampandroso? Hisian’ny fifampitokisana, fifanomezan-tanana amin’izay atao, fa ifankahazoana mialoha izay atrehina. Tsy misy ny fanampohana amin’ny tsy ampoizina… Amin’izay tena hetahetam-bahoaka, mety, tsara, mahasoa, mampandroso… Tsy atao fialana fa fanemorana ny raharaha amin’izay atao sy mitranga ny hoe fikaonandoham-pirenena, ka iandrasana an’izany izay tokony hanapahan-kevitra sy ho vita izao. Fiovana sy fanovana eo amin’ny fomba fiasa izay? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay madio no afa-kanadio…
Ao anatin’ny fifampitokisana amin’ny tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja ny hoe fanovana sy fanavaozana: tsy iandrasana ny hafa, tsy ifanilihana. Samy manana izay tandrify azy sy mety ho vitany? Izay no hisian’ny asa haingana sy mivaingana. Ny ataon’ny tena tsirairay ihany no mahasoa na maharatsy ny daholobe… miaraka?

R. Nd.

Partager sur: