Tra-tehaka tao amin’ny tokantrano iray teny 67 Ha ny zana-tsokatra miisa 152, ny alin’ny 30 marsa teo. Natao tanaty valizy roa izy ireo, karazana « Astrochelys radiata », ka azo heverina fa mety kasaina hoentina any ivelany. Olona tsara sitrapo no nampandre ny Polisim-pirenena ao amin’ny kaomisaria 67 Ha, ary niara-niasa tamin’ny Sampandraharaha miady amin’ny kolikoly (Dulc) ao amin’ny minisitera Medd. Mbola karohina ny tompon’antoka tamin’izao fitrandrahana antsokosoko ny harem-pirenena izao.
Lalantsaina sy vina vaovao apetraky ny minisitera, ankehitriny, ny tsy fandeferana mihitsy amin’ny trafika ny harena voajanahary toy izao. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny minisiteran’ny Fitsarana, ny TPI sy ny Pac, amin’ny fanomezana sazy henjana an’ireo olona tratra. Entanina hatrany ny mponina hitoroka sy hampandre ny mpitandro filaminana, hamongorana ireo tambajotran’olon-dratsy. Tsiahivina fa azo atao ny miantso ny laharana maimaimpoana 955 mahakasika izany.
Njaka A.




