Fanavaozana vola: Eo am-pamakafakana ny safidy ny BFM

Manohy ny fifampidinihana amin’ny vahoaka momba ny fanavaozana ny vola Ariary ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nisy ny fihaonana natao teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina, ny talata teo, taorian’ilay efa natao teny amin’ny Oni­versiten’An­ta­nanarivo, ny 23 marsa. Tanjona ny hanangona ny hevitry ny mpampiasa vola mba handrafetana fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena.
Nanazava ny governoran’ny BFM, Aivo Andrianarivelo, fa
« manontany ny hevitry ny vahoaka izahay momba ireo vola mora ampiasaina indrindra isan’andro, vola taratasy na vola madinika ». Hojerena amin’ izany ny endrika sy ny sandam-bola vaovao. Nohamafisiny anefa fa « tsy mikendry na hanova ny tahan’ny fifanakalozan’ny Ariary ity tetikasa ity, na hiady mivantana amin’ny fidangan’ny vidim-piainana ». Anisan’ny safidy ny famoahana vola taratasy vaovao, ny fanoloana vola madinika ho lasa vola vy, ary ny famoronana sandam-bola ambony kokoa. Eo koa ny mety hanesorana aotra hanamorana kajy.
Miahiahy anefa ny mpanondrana entana. « Very teo amin’ ny 8% eo ho eo amin’ny tombony azony ny mpanodrana jirofo ny taona lasa teo », hoy ny filohan’ ny mpanondrana jirofo (GEGM), Dama Jean Luc. « Tsy maintsy mampitombo ny famokarana isika mba hahazaka ny fifaninanana », hoy kosa ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Mada­gasikara (SIM), Rasamimanana Tiana.
Raha ny marina, misy fiantraikany amin’ny sehatra maro ny tanjaky ny Ariary. Mety hihena, araka izany, ny fidiram-bolan’ny tantsaha, ka hanamafy ny fahasahiranana any ambanivohitra.

Henintsoa

Partager sur: