Tontolo hafahafa

 

Tsy mba misy na iray andro aza hilaminana ilay tontolo politika eto Madagasikara. Ny nahazo seza atsy tena mandrovitsihy amin’ny serasera fanaon’ny rehetra teo aloha. Mifikitra mafy amin’ny azo. Sarotra tokoa aloha ny hamotsotra hena an-tanan-tsaka izany. Ny nakana fahefana aza mbola moramora lavitra noho ny fiarovana azy. Iaraha-mahalala fa raha tsy mahay dia iharan’ny tody eo.
Ny tandampa voadaka ivelan’ny sambo, lasa mpanohitra mafana fo. Milalao serasera sy fitaomana ny vahoaka malagasy hifototra amin’ireo nomem-pahefana indray. Tsy mifanipaka an-karona intsony no filaza azy, fa tena mpanohitra ny fanavaozana ankitsirano. Manao ny faraheriny ireo misitraka ny tohana avy amin’ny Malagasy, mpilaravinahitra avy any ivelany. Mahazo laka ny fanehoan-kevitra.
Misy indray ireo vondrona na andiana tanora samy mitondra ny lohany. Ny nahazo seza, toy ny mpanolotsaina sy ny lehibena sampandraharaha, zary mpisolovava ny fitondrana sisa no asany. Tsy misy mivaky loha amin’ny fanovan-drafitra sy ny fiampitana any amin’ny Repoblika fahadimy izany. Ny mbola an-jorom-bala, tsy mahita hirika hakan-tseza, mihanona amin’ny fisolelahana sitrany ahay!
Manoloana izany, mitohy ny adim-piainana ho an’ny vahoaka tsy mandadiharona. Tsy mahavaha olana ny fanovana mpitondra. Mionona amin’ny vidim-bary nilatsaka ny mpikarama isan’andro na ny isam-bolana. Mimenomenona amin’ny fatiantoka ny tantsaha, indrindra ireo izay nindram-bola. Tsy mbola azo tsapain-tanana ny fanavaozana, izay noheverina ho vitaina anatin’ny fohy ezaka.
Andrasana izay havoakan’ny ampitso. Efa niaraha-nahita ny vaovao fa misy ny nanandrana ny nanongana saingy voasoroka mialoha. Midika ho fisiana vondrona vaovao izay tsy manaiky lembenana izany. Mila fitandremana lehibe fa toa hafahafa ilay tontolo.

r.r

Partager sur: