Tsy azo enjehina koa?

 

Firenena hafakely mihitsy ity Madagasikara malalantsika ity, amin’ny ankapobeny. Aiza dia mangataka ny zo tsy azo atao na inona na inona ihany koa ry ben’ny Tanàna isan-tsokajiny, ankehitriny. Asa, inona loatra no mahatonga azy ireny haka tahaka ny solombavambahoaka. Ny afitsok’ireto farany amin’ny endrika fandikan-dalàna samihafa, saingy tsy azo enjehina, aza efa mampiteny ny tsy miteny.
Asa, nolovaina tamin’iza loatra ity zo sadasada sy hijerevana tavan’olona ity? Vao andro vitsy izay anefa ny an’ny vazaha tsy misy ankitsitsy izany. Depiote eoropeanina iray no miakatra fitsarana sy niharan’ny fanenjehana ka tsy maintsy ampiharana ny lalàna. Voarohirohy ho mpanindrahindra ny asa fampihorohoroana izy. Hatramin’ny fandraisany zava-mahadomelina aza efa namatorana azy. Tsy misy afa-bela izany.
Asa aloha, hatreto, hanao akory ny fivoaran’ilay ady amin’ny tsimatimanota. Enim-bolana aty aorian’ny nananganana ilay Repoblikan’ny Fanavaozana, tsy hita be ihany ny ezaka vita. Ny tomponandraikitra heverina hitarika ny ady aza izao no efa ahitsokitsoky ny mpanao Facebook ho fositra amin’ny fanomezana vahana izay fandikan-dalàna izay. Tsy hita be ihany izay asa azo tsapain-tanana mipaka ho an’ny tombontsoam-bahoaka.
Tsy mahazo kivy, tsy mahazo manary toky anefa. Mbola vao ny ampahefatry ny roa taona nilokalokana no vita. Samy mba makamaka eny izay afaka makamaka. Ny vao notapohany manao rapa-dango, ny efa nahitahita rirany taloha, mba mahalala onina tsikelikely. Ny tsy tokony hatao ambanin-javatra anefa dia ny fampiharana ny lalàna ho an’izay mihoa-pefy. Lasa ny fitondrana iray manontolo no voaloto sy ataon’ny olom-pirenena anaty kitapo iray.
Tsy tokony hoekena ny mpanao gaboraraka!

r.r

Partager sur: