Notanterahina ny asabotsy sy ny omaly alahady ny andro fahadimin’ny fifaninanana Orange Pro League Madagasikara. Nahazo fahombiazana avy hatrany ny ekipan’ny Uscafoot Analamanga sy ny Disciples FC. Lavon’ny ekipan’ny kaominina tamin’ny isa 3 no ho 1 ny ekipan’ny Ajesaia Bongolava. Lalao ho an’ny kaonferansy avaratra izay notanterahina teny amin’ ny kianjan’Ambohidratrimo, omaly. Resin’i Disciples Fc tamin’ny isa 3 no ho 2 kosa ny ekipan’ny Zanakala FC. Fihaonana ho an’ny kaonferansy atsimo, natao teny amin’ny kianjan’ny Elgeco By pass, ny omaly.
Raha ho an’ny kaonferansy avaratra, eo amin’ny laharana faharoa no misy an’i Uscafoot, izay manana isa sivy, raha toa ka ny Fosa Junior Boeny no mitarika ao amin’ity vondrona ity, izy ireo izay manana isa 12. Ho an’ny kaonferansy atsimo, eo amin’ny laharana fahatelo no misy an’i Disciples FC, izy izay manana isa 7, raha toa ka ny CFFA manana isa 7 no faharoa ary ny FC Mama manana isa 8 no voalohany.
Tsiahivina fa lalao efatra ihany no natao tamin’ny faran’ny herinandro, noho ny fangatahan’ireo mpilalao Barea mba hiala sasatra. Ny Barea izay avy nanao ny Chan Algerie 2022.
Fitia (Mpianatra asa)
Voka-dalao tamin’ny andro fahadimy:
Kaonferansy avaratra :
Kianja Ambohidratrimo
Uscafoot (3) vs (1) Ajesaia
Kianja Toamasina
As Fanalamanga (2) vs (2) Tia Kitra
Kaonferansy atsimo :
Kianja Elgeco :
Disciples Fc (3) vs (2) Zanakala Fc
Kianja Ambohidratrimo :
Fc Mama (3) vs (1) Jet Kintana Fc