UJSM: nivory sy niara-nikorana

Tontosa soa aman-tsara ny asabotsy 11 febroary lasa teo, teny amin’ny ANS Am­pefiloha, ny fivoriana ara-potoana fanao isan-taona, ho an’ny UJSM (Union des Jour­nalistes Sportifs de Mada­gascar). Fotoana nanaovana ny tatitra ara-moraly sy ara-bola ary koa fanamafisana sy fanovana fitsipika anatiny, teo anivon’ny fikambanana. Mpa­nao gazety ara-panatanjahantena 50 teo ny tonga nanatrika ny fivoriana izay avy amin’ny haino aman-jery isankarazany. Ankoatra ny fivoriambe, fotoana nifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao 2023 ihany koa io fotoana io ka nisy ny fiaraha-misakafo sy fiarahana nikorana kely.
Tanjon’ny fikambanana, hoy ny filohan’ny UJSM, Rasanda Serge, ny hahamatihanina hatrany ireo mpikambana ary ny hanome hasina izany mpanao gazety ara-panatanjahantena izany eto Madagasikara.

Mi.Raz

Partager sur: