Kitra any ivelany: afaka mifandona amin’ny Bayern i Messi, Tsy mbola fantatra i Mbappe

Hotanterahina amin’ny talata ho avy izao ny lalao mandroson’ny ampahavalon-dalana ny “Ligue des Champions”Eoropa. Afaka milalao tsara amin’ny fihaonan’ny PSG sy Bayern, i Lionel Messi, mpilalao PSG. Ary tsy mbola fantatra ny an’i Mbappe, lohalaharana PSG.

Afaka tamin’ny adin-tsaina ny mpakafy Paris Saint-Germain, klioba Frantsay, raha nijery ny tambajotran-tserasera, omaly. Afaka milalao amin’ny lalao mandroso ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na “Ligue des Champions” i Lionel Messi, mpilalao PSG. Ny Psg izay hihaona amin’i Bayern ao amin’ny kianjan’ny Parc de Prince, ny talata ho avy izao.
Tsiahivina fa naratra i Lionel Messi, nandritran’ny fihaonan’ny PSG sy ny Olympique de Marseille (OM), amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Frantsa. Hanala vela amin’i Bayern izany i Messi, amin’io fihaonana io. Tsara ny mampahafantatra fa lavon’i Bayern tamin’ny isa 8 no ho 2, ny Barça, klioba espaniola nilalaovan’ i Messi taloha. Lalao ampahefa-dalan’ny “Ligue des Champions”.
Marihina fa isan’ireo mpilalao efa manana traikefa ary mahafantatra tsara ireo mpilalao an’i Bayern i Messi. Ary nilaza ity kintan’ny PSG ity fa hiezaka ny hanome ny tsara indrindra avy aminy.
Tsy fantatra ny an’i Mbappe
Ankoatra izay, tsy mbola fantatra mazava kosa ny momban’i Kylian Mbappe, lohalaharan’i PSG. Izy izay isan’ireo mpilalao nahatafiditra baolina betsaka tamin’ity fifaninanana “Ligue des Champions” ity. Baolina fito izay no tafiditr’i Mbappé, nandritra ity fifaninanana ity. Tsiahivina fa ny 1 febroary teo izy no naratra, ary fahavoazana teo amin’ny feny no mahazo azy, nandritran’ny fihaonan’ny PSG sy Mont-pellier, tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’I Frantsa.
Araka ny nazavain’i Christophe Galtier, mpanazatran’ny PSG “ Tsy mbola azo antoka ny hiakaran’i Mbappé eny ambony kianja”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: