Nisokatra ofisialy, ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny taom-pikatrohana 2023, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja lomano. Fifaninanana teo amin’ny sokajy « Jeunes » ny nanombohana izany, izay nivondronan’ireo seksiona sy klioba mandrafitra ny ligin’ Analamanga. Mbola ho avy ny fifaninanana natokana ho an’ny sokajy hafa, fa fanombohana ity, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligy, Rasoanjanahary Valisoaniaina. Tafiditra sahady amin’ny fanomanana izay fifaninanana rehetra ho avy ihany koa izao fanokafana ofisialy izao, nametrahana ny programa rehetra mandritra ny taona. Tanjona ny hahatanterahan’ny fifaninanana rehetra kasaina hatao mialohan’ny hiatrehana ny fiadiana ny tompondaka nasionaly ary ny hampiakatra ny lentan’ny mpilomano avy eto Analamanga. Nampiavaka ity fifaninanana natao ny faran’ny herinandro teo ity, ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny teknolojia fampiasa amin’ny fifaninanana goavana iraisam-pirenena, toy ny tabilao elektronika.
Mi.Raz