Rugby – “6 Nations”: resin’i Irlandy i Frantsa

Taorian’ilay fandresena in-14 nisesy, lavon’ireo Trèfle “Irlandais” ny XV France, ny asabotsy lasa teo, tany Irlandy.
Lalao rugby izay tafiditra amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa na «6 Nations». Resy tamin’ny isa 32 no ho 19 ny ekipa Frantsay tamin’ity fihaonana ity. Nanjakan’ny Trèfle tanteraka ny lalao ary hita fa tsy mbola ampy tsara ny fahaiza-miaraka raha ho an’ny XV France. Vonona hanarina io lesoka io ny ekipa Frantsay, mbola manana lalao telo izy ireo. Izay hifanandrinan’izy ireo amin’ny Ecosse, Angleterre, Pays de Galles.
Tsiahivina fa tafiditra amin’ny fanomanan’ireo ekipam-pirenena Eoropeanina ny fiadiana ny Tompondaka eran-tany ny Rugby, izay atao any Frantsa, ity fifaninana “6 Nations” ity. Ny “Mondial” izay atao ny 8 septambra hatramin’ny 28 oktobra 2023 ho avy izao.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: