Vao tamin’ny 3 febroary lasa teo no nisy tovolahikely namoy ny ainy vokatry ny hanoanana tao Toamasina. Ny asabotsy folakandro lasa teo, akory ny hagagan’ny rehetra izay nandalo eo amin’ny tokontany malalaka anoloan’ny kianja manara-penitra Barikadimy, mifanila amin’ny biraon’ny polisy boriborintany faharoa Mangarano fa mahare fofona maimbo. Rehefa nozahan’ireo ankizy mpilalao baolina teo akaiky teo ny tao anatin’ ilay kirihitrala, nahita fatin-dehilahy efa nitagoronan’ny olitra tao anatin’ny kitapo plastika nanarona azy. Tonga teny an-toerna ny polisy ary niantso ny avy amin’ny BMH. Natao ny fizahana ny razana, tsy nahitana endrika vonoan’ olona ka nanambaran’ny tomponandraikitry ny Bmh fa maty vokatry ny hanoanana izy. Noho ny tsy fananany trano, matory anatin’ io lobolobo io ity lehilahy ity ka nanampy trotraka ny hanoanana ny orana nikija tato ho ato. Tombanana ho maty efa dimy andro lasa ilay lehilahy, hoy hatrany ny mpitsabo avy amin’ny Bmh. Olona fahadimy maty vokatry ny hanoanana hatramin’ny fiandohan’ny taona teto Toamasina izy.
Tsy nahitana antontan-taratasy hafatarana azy ilay razana, fa ireo nanatri-maso no nilaza fa indraindray mitarika posy no ahitana io raim-pianakaviana io . Izao endrin-javatra izao no ilazana fa very tanteraka ny soatoavina malagasy. Raha taloha afaka mifanampy ny samy Malagasy ary raha sakafo masaka tsy mampahidy ny Malagasy. Amin’ izao fotoana izao, tsy manome sakafo ho an’ny sahirana intsony ny fiarahamonina noho ny fahasahiranana.
Sajo