Homarihina rahampitso, ao amin’ny CHUJRA ny Andro maneran-tany ho an’ny hémophilie na ny fijinihan-dra lava, iarahana amin’ny minisiteran’ ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ivontoeram-pitsaboana ny Hémophilie eto Madagasikara (CTH-Mada) ary ny fikambanan’ny marary hemophile (ABEHM).
Aretin’ny ra, vokatry ny tsy fahampiana singa mampivaingana ny ra ka mahatonga ny olona iray handeha ra tsy mijanona ny hemophilie. Miseho amin’ny fandehanan-dra ivelany (mangana, mandeha ra ny akanjo nify na ny orona…) na ao anaty (anaty vanin-taolana, ambany hoditra, anaty atidoha…).
Zava-dehibe ny fanaovana fitiliana haingana araka izay azo atao mba hahafahana manome ny singa tsy ampy. Noho izany, ny fitiliana no dingana voalohany mankany amin’ny fitsaboana.
Eto Madagasikara dia zazalahy iray amin’ny 10 000 no teraka mitondra hémophilie, nefa latsaky ny 10% monja amin’ireo no voatily hatreto.
Ny fitsaboana sy fandraisana an-tanana dia ataon’ny CTH-Mada, ao amin’ny CHUJRA.
Fanabeazana ara-pahasalamana hisorohana ny fandehanan-dra no tena ivon’ny fitsaboana.
Fampidirana ireo singa tsy ampy mampivaingana ny ra no fitsaboana ny fijininihan-dra lava.
Marihina fa mivondrona ao anatin’ny ABEHM ny fikambanan’ny marary sy ny fianakaviana.
Tatiana A




