Andrasana fatratra amin’izao fitondrana hoe fanovana sy fanavaozana izao izay tena asa mivaingana amin’izay. Tsy inona fa fihatsaram-piainana, indrindra ny fiainam-bahoaka: famatsian-jiro sy rano, vidim-piainana, fandriampahalemana, famoronana asa… Saika fiteny mandrakariva amin’izany ny hoe mila miova aloha ny toe-tsaina. Izay miova no afa-kanova. Eo koa ny hoe omeo sehatra ny tanora amin’ny fandraisana andraikitra, fitantanana… Aiza ho aiza? Indrindra ny mpanao politika: goaika antitra tsy manaiky ho resy, entin’ny hambompo politika fa te hamaly faty…
Misy amin’ireny mpanao politika ireny no tsy miraharaha izay fanovana na fanavaozana, fa izay hahazoana fahefam-panjakana ihany no zava-dehibe aminy sy mahamaika azy. Fiheveran-tena diso? Na tafahoatra… Ny tena no hany mahalala sy mahay ary mahavita izay hahasoa ny firenena sy ny vahoaka? Eo ny vahoaka handinika sy hitsara ary hanapa-kevitra. Hanao ahoana? Izay no anaovana fifidianana. Ny vahoaka tompom-pahefana no tompon’ny teny farany: misafidy, manapa-kevitra… Tsy izay nofinofin’ny mpanao politika rehetra io akory no inona.
Loza iray, loza roa… Fitiavan-tena sy fitiavan-tseza ve no tena mibaiko sy mitondra ny mpanao politika hihazakazaka hahazo fahefam-panjakana? Tsy miraharaha izay fanovana na fanavaozana ny sasany… Eny, na izay fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena ho amin’izay tena mahasoa ny tanindrazana iombonana sy tokony hampiombonana aza. Nefa fampisaraham-bazana no miseholany, fitsikerana, fanapempoana, fanakiviana… Hanao ahoana? Aleo ny vahoaka no hitsara, raha olona toy izany no ndeha hampindramana fahefana? Mampandini-tena… Efa lasa ny zavatra taloha, na efa tsy lasa koa fa tsy nampandroso izay ela izay?
R. Nd.




