Vita Sonia ny alarobia teo, ny fifanaraham-piaraha-miasa ny EDBM sy ny CCIFM ho an’ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola. Kendrena ny hanohana ireo orinasa frantsay sy iraisam-pirenena miasa eto amintsika.
Rafitra mpiara-miasa akaiky sy manohana ny sehatra tsy miankina efa hatry ny ela ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) sy ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria France Madagascar (CCIFM). Manohana ihany koa ny fampahafantarana an’i Madagasikara ho toerana stratejika ho an’ny fampiasam-bola, indrindra ho an’ireo mpampiasa vola frantsay sy iraisam-pirenena. Hanamafy ny fiaraha-miasa niorina tao anatin’ny fifampitokisana, fahombiazana ary tanjona iraisana ny fanavaozana ny fiaraha-miasan’ireto rafitra ireto. Harindra ao anatin’ireo fifanarahana ireo asa iombonana mba hahazoam-bokatra mivaingana. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fampiasam-bolan’ireo mpisehatra ara-toekarena, fanohanana ireo tetikasa hiasa eto Madagasikara ary fampahafantarana ny Nosy malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ka hisarihana ny fampiasam-bola. “Vina iraisana ao anatin’izao fiaraha-miasa izao ny hametraka an’i Madagasikara ho kihon-dalana ho an’ireo mpampiasa vola”, hoy ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne. Nilaza kosa ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle fa ” hanolotra tontolo azo antoka sy voarindra ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa vahiny eto Madagasikara ny fiaraha-miasan’ny roa tonta”. Tanjona ny hanamafy ny fifandraisana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Frantsa, izay mpiara-miombon’antoka amin’ny firenena. Paikady apetraky ny EDBM sy ny CCIFM ny hanambatra ny fahaiza-manaony hanohana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny orinasa frantsay sy iraisam-pirenena, indrindra ireo ao anatin’ny tambajotran’ny CCI France International.
Paikady
Hifantoka amin’ny fifanakalozan-kevitra stratejika ny roa tonta hanamorana ny fampiasam-bola. Hojerena ihany koa ireo hetsika sy iraka ara-toekarena hisarihana ireo mpampiasa vola. Ankilany, misokatra amin’ireo mpiara-miombon’antoka toy ny “Business France ” ny tetikasa, izay hanamafy ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa. Heverina fa hampitombo ireo tetikasam-pampiasam-bola vahiny eto amintsika sy hanampy amin’ny famoronana orinasa ary fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra ara-toekarena eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fifanaraham-piaraha-miasa.
Henintsoa




