Serveur avo lenta no azon’ny foibe misahana ny famantarana ny toetry ny andro eto Madagasikara izay natolotry ny Pam, tamin’ity herinandro ity.
Ity fitaovana ity dia hanatsara ny fitahirizana sy fanodinana antontanisa ara-toetr’andro, ary hampitombo ny fahamarinan’ny vinavina. Hanamora ihany koa ny fampidirana teknolojia vaovao toy ny faharanitan-tsaina artifisialy na “intelligence artificielle” sy ny “machine learning”, ho fanamafisana ny rafitra fanairana mialoha sy ny fandraisana fanapahan-kevitra.
Miankina amin’ny fahafantarana mialoha ny toetry ny andro sy ny vinavina manakaiky hatrany ny tena zava-hitranga no hanampy betsaka ny tantsaha amin’ny tetiandron’ny fambolena.
Mifampiankina amin’ny fanatsarana ny famokarana rahateo izany ka tena ilaina ny fanarahana ny teknolojia moderina amin’ny fandrefesana ny toetry ny andro sy ny vinavina.
Hampitombo ny fahaiza-miatrika manoloana ny tranga ara-toetr’andro ho fiarovana ny vahoaka ity fitaovana ity.
Tatiana A




