Fanafihana fiara: telo lahy maty voatifitry ny zandary

Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Maevatanana, afakomaly, ireo telo lahy saika hanafika taskiborosy avy ao Mahajanga hihazo ny renivohitra.

Azo tany amin’izy ireo ny ody gasy maro, basy vita gasy miisa roa ary zava-maranitra samihafa. Tsiahivina fa lasibatr’ ireo olon-dratsy ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo ny taksiborosy mampitohy ny faritra. Voatafika teo amin’ny tetezan’Anjijakely, teo anelanelan’ny fokontany Marota­olana sy Antsiafabositra ilay fiara. Tsy nisy anefa ny entana voaroba saingy simba ny fiara. Nandrita ny fanadihadiana , nilaza ilay mpamily fa narahina moto nanao taingin-droa izy. Tsy nety nisongona azy mihitsy izany na dia nomeny lalana malalaka aza ny moto, hoy ireo mpanao fa­motorana. Araka izany, nitohy ny fanadihadiana ny raharaha. Lehilahy iray no voasambotra ny alahady maraina teo. Hita tao anatin’ny findainy koa ny someso nifampiresahany ta­mina olon-kafa voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Minitra vitsy taorian’izay, tratra ihany koa ilay olona voalaza. Nambarany fa saika hataony izany ho valifaty an’ilay mpampiasa azy. Ity farany izay nandefa entana tamin’ ilay taksiborosy voatafika.  Nampanantena asa ho azy, hamily fiara vaovao vao novidiana ilay mpampiasa azy io. Saingy taty aoriana, nataona olon-kafa ilay asa ka niteraka lonilony an’ilay lehilahy voasambotra. Antony nahatonga azy nanao iny valifaty iny, raha ny angom-baovao hatrany. Araka izany, natao ny vela-pandrika rehetra hisamborana ireo mpanafika taksiborosy. Efa niantrana teny amin’ilay toerana voalaza ny zandary. Raikitra ny fifandonana ka maty tamin’izay izy telo lahy voalaza etsy ambony.

Henintsoa Hani

Partager sur: