Nidina ho 37% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona, raha nahatratra 41,6% ny taona 2018. Vokatry ny dinika momba ny toe-piainan’ny ankohonana (Mics 2024-2025) izany.
Anisan’ny nandray anjara mivantana nahazoana ny vokatra ny mpikambana amin’ny Vovonan’ny firaisamonim-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (Hina). Nanatontosa hetsika maro ny mpikambana nanomboka ny taona 2018. Fanatanterahana ny Drafitrasam-pirenena fahatelo ho an’ny fanjarian-tsakafo (Pnan III) izany, araka ny fanazavan’ny filohan’ny filankevi-pitantanany, i Hantarinivo Faniry, ny herinandro lasa teo, teny Antaninarenina. nandritra ny fivoriamben’ny mpikambana. Nisongadina ny hetsika ho an’ny 1 000 andro voalohany eo amin’ny zaza, ny fanentanana fanatsarana ny sakafo eny ifotony, ny fampinonoana tsy misy fangarony. Eo koa ny fanaovana vaksiny, ny sakafo miovaova sy maroloko. Nanampy izay ny fanentanana amin’ny fampiasana ireo vokatra misy amin’ny toeram-pisakafoana any an-tsekoly ho sakafo mahavelona.
Tanjon’ny Fampandrosoana maharitra (ODD) ny tsy hisian’ny hanoanana intsony amin’ny taona 2030. Mbola lavitra ny vina fa mila asa mirindra kokoa. Zava-dehibe ny fampahafantarana ny fanjarian-tsakafo satria miova araka ny mpisehatra izany. Ho an’ny Vovonana Hina, tokony ho marolafy ny fanjarian-tsakafo izay misahana ny rafitra rehetra hanome zo fototra hisakafo, ho salama, hanana rafitra fahasalamana matanjaka. Apetraky ny fitondrana ankehitriny ho laharam-pahamehana ny sehatra sosialy ka tokony hisy rafitra sy tetibola mifanaraka amin’izany. Efa misy politikam-panjakana samihafa (politika nasionalin’ ny fahasalamana, ho an’ny fanjarian-tsakafo, …) izay efa rafitra mipetraka ka ny fanantanterahana ireny no maika izao, raha ny voalazany ihany.
Fanambin’ny Hina, taorian’ny fihaonambem-pirenena N4G tany Paris, ny hidinana ho 25% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Hamafisina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo izay tokony ho marolafy ary andraisan’ny minisitera rehetra voakasika anjara. Zava-dehibe koa ny fitsinjaram-pahefana ka tokony hotsinjaraina ny sorabola sy ny asa.
Vonjy




