Fadimbolana sy ny fahadiovana : Hampahafantarina mandritra ny roa andro

Hisy hetsika hotanterahina ny 23 sy 24 avrily ho avy izao, amin’ny toerana efatra dia i Mahajanga, Toamasina, Antsi­ranana ary Antananarivo, momba ny fadimbolana sy ny fahadiovana manodidina iza­ny. Tanjona ny hampahafantarana izany satria tsy mbola azo resahana malalaka izany eto amintsika. « 39% ny tovovavy no nanambara fa tsy tokony ho resahina imason’olona ny fadimbolana.Vokany, tsy fantany izay tokony hatao, fa eo koa ny tsy fananany fitaovana ampiasaina manoloana io tranga isam-bolana io, 11% ny tovovavy sy ny vehivavy ihany amin’izao fotoana no misitraka fitaovana manara-penitra tokony hananana mandritra ny fadimbolana », hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Assimini Ornella, ny herinandro lasa teo, teny Ankorondrano. 3 000 ny olona kendrena amin’izany, anisany ny tanora vavy sy lahy, ka ireo tanora ao amin’ny fikambanana AfriYan, tohanan’ny UN­FPA no misafidy ny toerana hanaovana azy, isam-paritra. Mizara roa ny hetsika. Voalo­hany, any am-pianarana ary ny faharoa, eny anivon’ny fiarahamonina, mandritra ny roa andro. Ankoatra ny fampahafantarana ny manodidina ny fadimbolana sy ny fahadiovana mandritra ny fotoana hahatongavany, hisy koa ny fizarana fitaovana manokana, indrindra ho an’ireo tena marefo.

Vonjy

Partager sur: