Hatolotra ny fampanoavana ity jiolahy ity aorian’ny famotorana ataon’ny polisy azy. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Ankadifotsy ity jiolahy iray voarohirohy noho ny halatra moto ity, omaly. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ankadifotsy ireo polisy miasa ao amin’ny CSP3 momba ny fahaverezana moto iray ny omaly maraina. Tsy niandry ela ny polisy fa nidina haingana teny an-toerana nijery ny zava-nisy. Nahitam-bokany izany satria tratra teo am-panosehana ilay moto halatra tsy lavitra teo amin’ny toerana nakany azy ity jiolahy ity. Somary hafahafa fihetsika izy ka niroso tamin’ny fisavana azy ny polisy. Fantatra nandritra izany fa tsy ara-dalàna ilay moto natosiny. Nosamborina avy hatrany izy ka nentina nihazo ny biraon’ny polisy hanaovana fanadihadiana. Isan’ireo faritra mampitaraina olona noho ny fisian’ireo jiolahy mpangalatra moto iny faritra Ankadifotsy sy ny manodidina iny. Raha vao varimbariana kely, manjavona tampoka ny moto na mihidy izao aza.
J.C