Infirmiera sy mpampivelona : Notokanana ny ivontoerana fanofanana

Nanan-jara ny tanora ao Toliara ny faran’ny herinandro teo. Misokatra ho azy ireo ny toeram-piofanana vaovao momba ny infirmier sy mpampivelona.

Tsy voatery hiakatra aty Antananarivo intsony ireo mpianatra maniry ny handranto fianarana momba ny mpampivelona sy infirmiera fa efa misy ao Toliara. No­tokanana ny faran’ny herinandro teo ny ivontoerana fanofanana infirmiera sy mpamivelona na ny Ifirp any an-toerana.
Navaozina avokoa ireo efitrano lehibe miisa 4 ahitana efitrano fianarana, birao miisa 5, trano fonenan’ny mpiambina, toerana fampinonoan’ny reny, efitrano fandraisana vahiny “gîte d’étape”, “laboratoire de développement de compétences” miisa 2, trano fisakafoanana sy fidiovana.
Mamoaka paramedy ma­no­didina ny 60 isan-taona ity ivontoerana ity ary hahazo tombony amin’izany ny tanora ao Toliara sy ny manodidina.
Nanolotra vola mitentina 5 000 000 Ar ho an’ireo mpianatra ao amin’ny IFIRP ny filohan’ny fanavaozana ny Re­poblika, Randrianirina Michaël, ho fanohanana sy fanampiana azy ireo.
Fianarana tena irian’ny tanora atao ny asan’ny mpampivelona sy ny infirmiera satria anisan’ny asa takin’ny filana amin’ireo firenena mandroso. Betsaka ireo tanora nahavita fianarana mahakasika izany no mitady lalana makany ivelany ary maro rahateo ny tolotr’asa mahakasika izany.
Tetsy andaniny, nanolotra ireo fiarakodia tsy mataho-dalana misy vata fampangatsiahana ho fitaterana ny vakisiny ho an’ireo distrika 9 ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ihany koa ny fanjakana.
Ankoatra izany, ny fitaovana radiographie numérique ary milina mpamokatra “oxygène” (générateur d’oxygène) hoentina hanatsarana ny tolotra ara-pahasalamana eny ifotony.
Porofon’ny politikam-panjakana mazava tsara eo amin’ ny tontolon’ny fahasalamana ny fampitaovana sy fananganana fotodrafitrasa toy izao.

Tatiana A

Partager sur: