ENS! Mpianatra 292 nahazo taratasy fanendrena

Nahazo ny taratasy fanendrena azy ho mpiasam-panjakana amin’ny sekoly hampianarany avy ireo mpianatra 292 tao Toliara, nahavita fianarana tao amin’ny “École Normale Supérieure” (ENS). Manana ny mari-pahaizana Capen izy ireo.
Nohamafisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa laharam-pahamehana ho an’ny fanjakana ny fanabeazana sy ny fanohanana ireo mpampianatra izay andry iankinan’ny fampandrosoana maharitra.
Maniry ny fandraisana ireo mpampianatra ENF manerana ny Nosy ho mpiasam-panjakana ihany koa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena. Torak’izany ny hanomezana fiantoham-panampiana ho azy ireo.
Tsiahivina koa fa androany ny fizarana ny didy fanendrena ho mpiasam-panjakana ho an’ireo manana ny Lapen sy Mapen voafantina araka ny naoty laharana faha-2°26/124-MEN/SG tamin’ny 12 febroary 2026.
Efa mandeha tanteraka ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana. Afaka misitraka izany avokoa ireo mpiasa rehetra manana fifanarahana amin’ny fanjakana aorian’ny 6 taona niasana. Entanina ireo rehetra nahafeno fepetra fa tokony hikarakara ny taratasy ilaina mba hisitrahan’izy ireo ny maha mpiasam-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: