CNFPPSH Ampandrianomby : Hanofana ny tanora isam-pokontany

Notontosaina ny herinandro lasa teo, teny amin’ny ivontoerana CNFPPSH Am­pandrianomby, ny famoahana tamin’ ny fomba ofisialy ireo mpiofana nahavita fiofanana informatique bureautique sy anglais (English Piftic Cou­rses). Indroa isan-taona ny Piftic CNFPPSH no mamoaka mpiofana ka miisa 107 ireo mpiofana notolorana diploma tamin’ ity andiany voalohan’ ny taom-piofanana 2025 – 2026 ity.
Nisongadina nandritra ny lahateny ny maha zava-dehibe ny fiofanana tahaka izao indrindra ny sehatra fanatontoloana ara-teknolojia sy ny teny vahiny. Manan-danja ny diplaoma izay tena ilaina amin’ ny fidirana anatin’ ny sehatry ny asa. Manohana rahateo ny fanjakana amin’ny alalan’ny ivontoerana CNF­PPSH A sy ny Piftic CNF­PPSH Ampandrianomby.
Hisokatra amin’ ny lalam-piofanana vaovao ny ivontoerana ary anisan’ny hisitraka izany ireo mpikambana eo anivon’ ny Piftic, hoy ny solontenam-panjakana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Tsira­hamba, nandritra ny hetsika. Hisy koa ny fanofanana ifotony hatao eny anivon’ ny fokontany manodidina (Tsa­ra­ho­nenanana, Ampandria­nomby) ny ivontoerana. Hadihadiana ny tena filan’ny tanora hanosehana azy ireo hiditra amin’ ny fiofanana miteraka asa ary hatomboka amin’ny taom-piofanana ho avy. Hifanome tanana amin’ izany ny CNFPPSH sy ny Piftic.

Vonjy

Partager sur: