INDRAY MIJERY

Notanterahina nandritra ny roa andro ny atrikasa fijerena sy fandinihana ny asa vitan’ireo fiaramonim-pirenena (OSC) tao anatin’ny sivy volana niaraka tamin’ny Manion Daniels sy ireo mpiara-miombon’antoka (JHPIEGO, MCD, APSIAN, ASOS). Tanjona ny hanatsara ny tahan’ny vaksiny eny amin’ireo distrika 45 voasafidy, indrindra ho an’ireo zaza mbola tsy vita vaksiny mihitsy (zéro dose).

Nisy ny famelabelaran-kevitra siantifika momba ny lohahevitra hoe: “Le Tsapiky de l’héritage traditionnel au patrimoine mondial”, izay nandraisan’ireo mpikaroka malagasy sy vahiny (anthropologue, musicologue) ary ireo mpisehatra mivantana amin’ny mozika Tsapiky anjara, tao amn’ny Amphithéâtre Fiakara Jean Ferlin- Maninday, Toliara. Nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara ho fankasitrahana ny fahaiza-manao nentin’izy ireo.

Niaraka nanangan-tsaina tamin’ny mpianatra, mpanabe sy ny mpandraharaha ary ny filohan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra tao amin’ny Lycée Laurent Botokeky Toliara ny delegasionina notarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Nampahery ireo mpianatra izy amin’izao ankatoky ny fanadinana izao ka nanentana azy ireo hanana faharetana sy finiavana, satria izy ireo no hoavin’ny firenena.

Partager sur: