Tao anatin’ny roa andro, ny alahady sy alatsinainy 13 avrily, nidorehitra tamin’ny afona kodiarana ny sampanan-dalana hisian’ny fifamoivoizana betsaka indrindra teto Toamasina. Anton’ny tranga ny tsy fahatrarana ny fe-potoana nomen’ny tomponandraikitra eo amin’ny famerenana ny jiro isam-pokontany. Taorian’ny rivodoza Gezani, indroa nametraka fe-potoana ireo tomponandraikitra. Toeram-piasan’ny orinasa madinika toy ny mpanao taovolo, sodira, Cyber café, mpivarotra zava-pisotro mangatsiaka, mpanety volo raha tsy ilaza afa-tsy ireo aloha. Ny datin’ny 31 marsa no nambara fa ho tonga ny herinaratra, nefa ny 12 isan-jato no tratra tamin’izany. Ny 3 avrily, namoaka fe-potoana farany indray ka ny minisitry Angovo, Rabearimanga Radoniaina Lucas, mihitsy no tany an- toerana nilaza tamin’ny alalan’ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety fa ny 14 avrily dia ho zato isan-jato ny fahatongavan’ny herinaratra isan-tokantrano. Vokany, tezitra ny fokonolona satria hatramin’ny alahady mbola tsy nahitana tamingana Jirama na ireo mpiasa tsy raikitra akory nanarina ny andrinjiro teny anivon’ny fokontany. Faharoa, misy kosa lalovan’ireo mpiasa tsy raikitra ka maka vola isan-tokantrano no ataon’izy ireo. Feno ny kapoaka, voky lainga ny fokonolona hany ka tonga amin’ny fitokonana sy fandrehetana kodiarana teny anivon’ny fokontany maro izany.
Sajo




