Tovovavy maromaro mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina iray ao Mandritsara no voan’ny ambalavelona, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Miantso ny anaran’ny tovolahy iray antsoina hoe : Jean Pierre avokoa izy rehetra ireo. Nidina an-tsehatra nisambotra an’io lehilahy voatonona anarana io ny polisy taorian’izay. Efa eo am-pelantan’ny mpitandro filaminana ny fanadihadiana.
Lehilahy iray 25 taona, maty tsy tra-drano nianjera tamin’ny moto tetsy Andranonahoatra akaikin’ny Jovena, ny alin’ny alahady lasa teo, tamin’ny 10 ora sasany. Nitondra moto ary nandeha mafy io lehilahy io. Nidona mafy tamin’ny moto iray nifanena taminy izy ka maty tsy tra-drano. Tsy naninona fa potika fotsiny ilay moto nifandona taminy sy ny olona nitondra azy. Mamo ihany koa io lehilahy niharan-doza io tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.




