Avy amin’i Etazonia : Sakafo milanja 5 000 t hanampiana ny any atsimo

Hiatrehana ny tsifanjarian-tsakafo any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy vokatry ny haintany dia nanolotra sakafo milanja 5 000 taonina ny amerikanina.

Natolotry ny mpiandraiki-draharaha amerikanina, Stephanie Arnold, ho an’i Madagasikara, tao amin’ny seranan-tsambon’i Toliara omaly ny fanampiana ara-tsakafo azo tamin’ny famatsiam-bolan’ny governementa amerikana. Natolotra avy hatrany ny Pam izany satria izy ireo no hiandraikitra ny fitsinjarana azy avy hatrany.
Ity fanampiana ara-tsakafo ity dia hanampy mivantana olona manodidina ny 300 000 toy ny zaza madinika sy ny reny tandindomin-doza amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Ampahany voalohany amin’ny fanampiana vonjy aina mitentina 49 000 000 000 Ariary na 11 650 000 dolara ame­ri­kanina avy amin’i Eta­zonia io natolotra omaly io. Olona maherin’ny 560 000 mila fanampiana manerana ny faritra atsimo sy atsimo andrefan’i Madagasikara no hisitraka izany.
Efa an-dalana miainga avy eny amin’ny seranan-tsambo mankany amin’ireo vondrom-piarahamonina tena mila izany ireo fanampiana ara-tsakafo amerikanina ireo.
Ny fanampiana ivelany ataon’i Etazonia dia vonjimaika sy efa voafaritra ho an’ireo tena mila azy ary hentitra ny fanaraha-maso izany hiantohana ny tamberin’andraikitra amin’ny mpandoa hetra amerikanina.
Manampy an’i Madagasi­kara androany ity fanampiana vonjy aina ity, ary ny fanampiana avy amin’i Etazonia dia mikendry ny hanohana azy ho lasa firenena mahavita tena sy tsy miankin-doha amin’ny fanampiana avy any ivelany.
Entina hanohanana ireo faritra manan-danja hisoroka ny tsy fahampian-tsakafo ra­ha­teo ny tohana tahaka izao. Fanohanana an’i Madagasi­kara hiroso amin’ny fahavitan-tena bebe kokoa. Ny fanampiana vonjimaika dia miantefa amin’ireo tena mila azy any amin’ireo faritra tena voa mafy noho ny hain-tany, izay ahitana olona ana hetsiny maro miatrika tsy fahampian-tsakafo mahery vaika.

Tatiana A

Partager sur: