Nihaona tamin’ny mpianatry ny oniversiten’i Toliara ny filohan’ny Fanavaozana, Randrianirina Michaël, nandritra ny fandalovany tany an-toerana. Nanolotra forage ho famatsian-drano ho an’ny mpianatra izy. Fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Rano sy fanadiovana ary fidiovana miaraka amin’ny fikambanana Fonena izany. Tsy andoavam-bola ny fisitrahana ny rano. Nitafa mivantana tamin’ny mpianatra ny filoha ary nihaino ny hetahetan’izy ireo teny Maninday.
Anisan’ny nangatahan’izy ireo ny fampiakarana ny vatsim-pianarana sy ny fanefana izany ara-potoana. Hetaheta faharoa ny fanamboarana lalana ao anatin’ny faritry ny oniversite.
Nilaza kosa ny filohan’ny oniversite fa ilaina ny hamefena ny faritry ny oniversite ao Maninday sy hanamboarana kianja mitafo sy tobim-pahasalamana ao anatin’ny toerana misy ny oniversite hositrahan’ny mpianatra. Tokony havaozina ny efitrano fianarana ary nangataka fiara fitaterana hampiasana koa ny mpitantana.
Misy ny fangatahana azo novaliana teo no ho eo, momba ny fanamboaran-dalana, hatao rarivato ny lalana rehetra. Hametrahana panneaux solaire manana tanjaka 1Mw koa hamahana ny famatsiana jiro, hoy ny filohan’ny fanavaozana.
Anatin’ny fandinihina ny fahafahana hampiakatra 20% ny vatsim-pianarana ary 30% ny fampitaovana ny fitondrana ankehitriny.
Vonjy




