INDRAY MIJERY

Aorian’ny fanarenana ny oniversiten’i Toa­masina, izay ravan’ny rivodoza Gezani vao hijery ny fanavaozana ny fotodrafitrasan’ny onivesiten’i Toliara ny fanjakana, hoy ny filohan’ny fanavaozana. Momba ny tanin’ny oniversite misy mibodo kosa, hisy fandaminana hamerenana ny tany amin’ny tompony ka homena bokin-tany ireo tanim-panjakana hisoratra amin’ny minisitera hialana amin’ny olana.
Nitsidika ny EPP Besakoa izay sekoly nianarany fahiny ny filohan’ny fanavaozana. Nanolotra tafo fanitso miisa 100 sy loko miisa 10 daba ho fanatsarana ny fotodrafitrasa izy ary nanome fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika miisa 120 avy amin’ny EPP Besakoa sy ny EPP Morafeno vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny orinasa Orange Madagascar. Notolorana “vidéoprojecteurs” miisa 10 ny Dren Atsimo Andrefana sy ny Cisco mandrafitra azy ho fanohanana ny fampianarana niomerika.
Mikarakara hetsika ny fikambanana Psy-kôzy ny sabotsy ho avy izao. Andro « portes ouvertes » no anarany ka ny fihainoana ny tsirairay (écoute individuelle) sy ny ludothérapie no hisantarana azy, ny maraina. Miaraka manomboka ny hetsika rehetra ary anaty toerana iray fa amin’ny efitra samihafa. Misy koa ny eny ankalamanjana toy ny ludothérapie. Ny maraina koa ny écoute en groupe ary misy lohahevitra vitsivitsy horesahina mandritra izany. Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo liana amin’ny “portes ouvertes”.

Partager sur: