Fidinan’ny vidim-bary : Betsaka ireo tantsaha migadra

Hatramin’ny nandraisan’ny fitondrana vaovao ny fitantanana dia nijotso ny vidim-bary. Mahafaly ny mpihinana izany, andaniny, saingy mampidi-kizo ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra, ankilany. Maro ny mi­ga­dra, tsy mahaloa trosa nampiasaina ta­min’ny fikarakarana rehetra.

Tao anatin’ny iray volana, fitoriana enina no voarain’ny zandarimaria ao Ankazobe mahakasika ny olana mifandraika amin’ny fidinan’ny vidim-bary. Lasibatra amin’ny fitoriana ny tantsaha tsy nahaverim-bola nampiasaina tamin’ny fotoam-piasana sy ny ketsa. Manampy azy ireo ny mpanangom-bokatra izay nindram-bola taman’olona. Ni­an­toka entana tsy araka ny tokony ho vidiny hamerenam-bola. Samy natolotra ny fampanoavana avokoa ny voampanga, naiditra am-ponja.
Olana amin’izao fotoana ny tsy fetezan’ny tompom-bola manao raharaham-pihavanana. Izy ireo rahateo izay anisan’ny lasibatra satria very vola tampoka. Diso kajy tahaka ny mpiantsehatra rehetra ao amin’ny fikirakirana vary.
Nisy ny fanadihadiana ifotony natao tany amin’ny kaominina Kiangara. Hita taratra ny fa­hasahiranan’ny mponina. Mihi­tsoka ny tahirim-bary. Raha misy mividy dia zara raha 1 000 ar ny vidin’ny akotry iray kilao. Tafidina 400 hatramin’ny 500 Ar aza izany eny ifotony. Ny kaominina anefa mamokatra vary maherin’ny 20 000 taonina isan-taona. “Ny tamin’ny taon-dasa mbola misy mihitsoka aty an-tanàna, ny vary anefa izao efa miakatra indray. Asa, hanao ahoana ny famoahana izany. Tsy hay izay ho fiantraikany amin’ny sosialim-bahoaka. Efa hita taratra ny fiantraikany amin’ny fampianarana ny zaza sy ny andavanandron’ny mponina. Ny vidim-bary midina, ny kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro miakatra. Sahirana ny tantsaha mivelona amin’ny vary. Marihina fa 92% ny mpihinana dia mpamboly vary, mivelona amin’izany ao Kiangara”, hoy ny ben’ny Tanàna, Andriamaherisoa Ma­namihaja.

Olana ny fanafarana
Ny fanafarana vary “stock tampon” nataon’ny fanjakana no voalaza fa antony lehibe nampilatsaka ambany ny vi­dim-bary. Antony politika, nentina nanamaivana ny vahoaka sy nampiakarana ny fitiavan’ny sarambabem-bahoaka ny mpitondra Fanavaozana. Vantany vao mitobaka eny an-tsena ireny dia mihitsoka hoazy ny vary eto an-toerana. Milaza ho voa roa ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra. Efa tsy mi­voaka ny vokatra, mbola mandoa patanty sy hetra izy ireo, miampy ny tamberim-bidy amin’ny kaominina. “Ireo mpanafatra vary avy any ivelany anefa tsy mandoa haba. Mahazo fa­halalahana, afaka mametra ny vidim-bary araka izay ifanarahany amin’ny fanjakana fotsiny”, hoy Ramanandraibe Fils Michel, sady mpamboly no mpanangom-bokatra. “Ho ahy manokana izao dia mandoa tamberim-bidy 50 000 ar isaky ny vary iray taonina aho. Man­giny fotsiny ny patanty. Amin’ izao anefa mihitsoka ny asa satria miandry izay vahaolana”, hoy hatrany izy.
Marihina, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny fandoavan-ketra ao amin’ny kaominina, fa Ar 3 isaky ny kilao no tamberim-bidy. Olana ny tsy mbola fipetrahan’ny fa­kana azy ireny amin’ny mpandraharaha na ny mpanangona na ny tantsaha. Iaraha-mahalala ny toe-javamisy iraisana me­narana ny Nosy, toy ny ao Alaotra.
Manoloana ny zava-misy amin’izao fotoana izao, tsy misy ny famindram-po avy amin’ny trano fampindramam-bola madinika ho an’ny tantsaha. Na ireo miara-miasa amin’izy ireo amin’ilay fomba fanao, antsoina hoe, manidy vary, aza. Izay vidiny nifanarahana hatrizay no tsy maintsy hivarotan’ny tantsaha fa ny saran’ny fitehirizana 300 Ar isan-kilao tsy maintsy aloa. Raha nifanaraka tamin’ny 1 200 isan-kilao izany ny roa tonta, ny vary anefa tsy maintsy hamidy 900 Ar ny kilaon’ny akotry, fatiantoka miampy fatiantoka ny an’ny mpamboly. Raha nindram-bola kosa, tsy maintsy mamerina ny vola sy ny zanany nifanarahana. Tsy tafiditra anatin’ny hamehana azo hanoharana ny fidinan’ny vidin’entana. Izay voasoratra dia voasoratra.
Marihina fa mampiaka-bary intelo ny ao amin’ny kaominina Kiangara. Betsaka ny voka-bary. Mivangongo ny tahiry. Misy ny vary aloha, ny vary an-tanety, ary ny vary vaky ambiaty na fararano be no fiantsoana azy.
Ho an’ny mponina amin’ity kaominina ity, ireo mpanangom-bokatra tamin’ny taon-dasa no tena anisan’ny velon-taraina. Nividy vary tamin’ny sarany ambony kanefa rehefa hamoaka ny tahiry, mivarotra fatiantoka. Tsy vitan’izay, tsy mety mandray entana ny mpanambola, mpitoto vary ao Mahitsy sy Anosibe. Antony, mbola tsy lany ny tahirin’izy ireny. Anisan’ny “voatery ankolaka” hivarotra ny vary mora na ny “stock tampon” ihany koa izy ireo.

Tsy manam-bahaolana ny fanjakana

Tsy toy ny any Alaotra, izay miditra an-tsehatra amin’ny famahana olana ny fanjakana, ny ao Ankazobe. Miraviravy tanàna ny tantsaha. Miandry izay higadonany. “Tena sahirana izahay tantsaha, ankehitriny. Miankina amin’ny varo-bary ny fiainanay rehetra. Raha marary dia vary, mampianatra ankizy dia vary. Mbola vary ihany koa no miantoka ny zavatra ilainay andavandro, toy ny solitany sy siramamy ary lamba sy fitafiana, sns. Olana anefa raha hivaro-bary izahay, zara raha misy mividy. Raha misy mandray indray ny entana, zara raha mivadika vola. Raha misy ny aretina ka hamonjy dokotera sy hividy fanafody dia efa olana goavana”, hoy i Rivo, tantsaha monina ao amin’ny fokontanin’ Antsahalava, kaominina Kiangara. Manamafy izany i Bebe Jeanette, mpilaravinahitra, monina ao Kiangara: “Efa ho 20 taona izahay no nifindra monina aty Kiangara. Tsy mbola nisedra olana tahaka izao. Ilay olana amin’io tsy misy vahaolana avy aty ifotony. Miankina amin’ny fanjakana ka miantso vonjy izahay”.

Mivadika any amin’ny voly saonjo

Anisan’ny mbola tsy mampivalan-ketraka 100 % ny tantsaha ao Ankazobe ny fisian’ny voly avotra toy ny tsaramaso sy ny voatabia, na ny voanjo sy mangahazo. Anisan’ny mampiavaka azy ireo, ka mivadika ho loharanom-bola hafa, ny voly saonjo. Miakatra ihany koa ny voly saonjo amin’izao fotoana izao. Maro ny mpanangom-bokatra midina ifotony. Avo efatra heny amin’ny vidim-bary ny iray kilao. 3 500 ar ny kilao raha mora indrindra. Tafakatra 4 000 Ar na 4 500 Ar izany tamin’ny herinandro lasa iny, nandritra ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana. “ Mitovy ihany ny fotoana lany amin’ny fiandrasana ny saonjo sy ny vary hiakatra. Eo amin’ny efa-bolana dia efa misy ny azo hadiana”, hoy i Tojo, tantsaha monina ao Ankazobe.
Marihina fa ny vidin-tsaonjo matetika no mihodina ho fandaniana amin’ny fambolem-bary. Mandany 200 000 Ar hatramin’ny 450 000 Ar ny tantsaha iray mandritra ny taom-pambolena. Mikarama 7 000 Ar isan’andro ny mpiasa tany sy ny mpanetsa.

Nanatontosa : Riana Raymonde

Partager sur: