Toliara: miandrandra fampandrosoana ny tanora

Tsy manana asa ny ankamaroan’ny tanora any To­liara. Tsy safidin’izy ireo izany fa ny asa mihitsy no tsy misy any an-toerana. Voatery ma­nao antom-pivelomana hafa na hatramin’ny nahita fianarana sy manana diplaoma aza, na koa tsy an’asa tsotra izao.
Maro ny seha-pihariana na ny fampiasam-bola azo atao any Toliara. Toy ny tetikasa Base Toliara, isan’ny orinasa vaventy nisafidy ny hiasa any amin’ity toerana manana mponina maherin’ny 250.000 ity. Efa vita amin’ny antsipiriany daholo ny fanadihadiana mikasika ny fitrandrahana fasimainty any Ranobe, mi­ampy ny fikarakarana ny antontan-taratasy ara-panjakana rehetra.
Nomeny tombondahiny ny mponina any an-toerana. Nan­defa tanora miisa 24 niofana tany Kenya amin’ny sokajy samihafa mikasika ny fitrandrahana ara-indostria, nandritra ny roa taona. Naneho hevitra ny sasany tamin’izy 24 mianadahy, 16 volana taorian’ny fodiany an-tanindrazana, izay samy miandrandra fampandrosoana.

Fanampindrainy Simon Théodon, monina any Ma­romiandra : Nianarako tany Kenya ny ny elektrika indostrialy, ny informatika, ny tontolo iainana miampy sehatra hafa. Isan’izany ny HSE, mi­kasika ny fanarahana ny fe­petra fiarovana anaty orinasa. Araka ny zavatra hita sy niainana tany Kenya, tsy misy mihitsy ny olana amin’ny fitrandrahana fasimainty. Tsy mitombina daholo ny feo aely aty Madagasikara fa hoe ritra ny rano, simba ny tsiron’ny tany, sns. Tsy marina ny filazana fa lavahana 60 na 80 metatra ny tany. Tsy manana olana ara-pahasalamana mi­hitsy aho.
Olivia Clarisse, Maro­miandra : Niofana mikasika ny electrical enginneering aho. Tsy marina velively ny filazana fa miantraika amin’ny fahasalamana sy manimba ny zaza teraka ny tetikasa Base. Vavolombelona aho, satria niaina tany Kenya. Tsy mitombina koa ny fanaratsiana ataon’ireo manohitra ny tetikasa ny hoe fahasimban’ny tontolo iainana. Tsy ritra ny rano any an-toerana sady mirotsaka ara-potoana tsara ny orana.
Charly : Mirindra tsara ny fitrandrahana any Kenya. Ma­merina amin’ny laoniny ny toerana avy nitrandrahany ny Base. Tsy misy sembana ny zaza teraka sady tsy manana kilema. Mila resahana ny tombontsoa entin’ity tetikasa ity.

Partager sur: