“Pureplay Football League”; Nomontsanin’ny Disciples FC 5 no ho 1 ny Antimo Record

Voahaja ny lojika eo amin’ny andro faha-13 hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Lavon’ny Disciples FC Vakinankaratra ny Antimo Record. Mbola mitarika ao amin’ny kaonferansy atsimo, araka izany, ny Disciples FC.

Nitohy omaly alarobia, tany amin’ny Kianja Velodrome Antsirabe, ny andro faha-13 amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, kaonferansy atsimo, “Pure­play football league (PFL)”. Nazava ny fandresen’ny Dis­ciples FC Vakinankaratra, nampiantrano ny Antimo Re­cord Atsimo Andrefana. No­montsanin’ny Disciples, ta­min’ny isa mavesatra 5 no ho 1, ny ekipan’Atsimo Andrefa­na. Nisongadina ny fahaiza-manaon’ny Disciples FC, na­hitana ireo mpilalao mahazatra azy, toa an’i Fabrice sy ry Dahery, miampy an’i Tendry sy i Thino. Nanatombo tamin’ny tanjaka sy ny fahaiza-manao ny Disciples FC. Nobo­doin’ny ekipan’i Vakinanka­ratra tanteraka ny tanin’ny Antimo Record. Nanokatra ny isa ny Disciples, teo amin’ny minitra faha-28, tamin’ny alalan’i Bônô. Tsy nahavaly mi­hitsy ny mpilalaon’Atsimo Andrefana fa nanao izay nialan’ny baolina tao aminy fotsiny. Tsy nahazo afa-tsy “corner” iray ry zareo, tao anatin’ny fizaram-potoana voalohany. Nisongadina i Meilleur, mpiandry tsatobin-dry zareo, izay nanavotra baolina maro. Io isa tokana, 1 no ho 0 io, no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny tapa-potoana voalohany.
Fizaram-potoana faharoa, mbola nofehezin’ny Disciples hatrany ny lalao. Minitra faha-47, namono ny baolina faharoa, i Bônô. Mbola nampian’i Tendry izany, teo amin’ny minitra faha-70. Tany amin’ny faha-77 vao nahafaty baolina, tokana, ho azy, i Doda ho an’ny Antimo Record. Nofara­nan’i Fabrice ny baolina maty ho an’ny Disciples, teo amin’ny minitra faha-87 sy 93. Voahosotra ho mpilalao mendrika i Bônô. Fihaonana ma­naraka ho an’ny Disciples ny fandraisana ny Mama FC; ny sabotsy ho avy izao; ary ny Antimo Records kosa hanafika ny CosPN.

Fitia Randria

Partager sur: