Efa mamaramparana ny fifaninanana amin’izao ny eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Ny faran’ity herinandro ity no hanatanterahina ny famaranana fihodinana voalohany, ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona, lahy sy vavy. Raha ny fandaharam-potoana, ny ekipan’ny AST sy NBE no hifanandrina eo amin’izay famaranana izay, eo amin’ny vehivavy, izay hatao eny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, amin’ny 12 ora atoandro. Aorian’izay, hifandona ny ekipan’ny AKBB sy ny Fandrefiala, eo amin’ity famaranana ity, ho an’ny sokajy lehilahy. Ankoatra izay, hotontosaina amin’ny faran’ny herinandro ihany koa ny dingana manasa-dalana eo amin’ny sokajy latsaky ny 16 taona, lahy sy vavy. Eny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso ihany koa no hanaovana ity lalao manasa-dalana ity. Mitohy kosa ny fifaninanana amin’ny sokajy hafa, eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina.
Mi.Raz




