Iray amin’ny sampana 16 eo anivon’ny sekoly ambony politeknika Antananarivo, eny Vontovorona, ny Ingenierie minière, izay mamoaka injeniera mahafehy ny fitrandrahana, nanomboka ny taona 1976.
Miavaka ny injeniera nahavita fianarana teny amin’ny sekoly ambony politeknika satria afaka misehatra amin’ny lafin’asa maro aorian’ny fahazoana diplaoma. Tafiditra ao ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fikarohana, ny tontolo iainana, ny géologie. “Maro ireo injeniera mitana andraikitra momba ny tontolo iainana amin’ny orinasa lehibe eto amintsika sy any ivelany, tsy vitsy koa ny misehatra amin’ny Fidiovana, ny filaminana ary ny tontolo iainana satria ny olana dia hita any amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany avokoa izany”, hoy ny mpiandraikitra voalohany ny sampam-pianarana, Rakotosoa Harimalala Herivola, omaly, teny Vontovorona.
25 isan-taona ny injeniera mivoaka amin’ny Science et technique minière eny Vontovorona. Azo ambara fa mbola betsaka noho ny filana eto amintsika izany. Raha ny otrikarena ambanin’ ny tany misy eto Madagasikara, mbola maivana ny zavatra hoentiny ho an’ny harinkarena faobe. Manantena anefa ny mpitantana fa hisy fivoarana ny zava-misy amin’izao fiverenan’ny fanomezan-dalana hitrandraka izao.
Tsangambaton’ny faha-50 taona nijoroan’ny sampana ingenierie minière rahateo ny hampiakarana ny fahafahana mandray mpianatra vaovao. Hapetraka rahampitso, eny Vontovorona, ny vato fototry ny fotodrafitrasa vaovao mifandraika amin’izany. Efitrano fampianarana sy ho an’ny mpampianatra no hajoro amin’izany.
“Hetsika maro no hanamarihina ny faha-50. Hosantarina rahampitso ary hiantsoana ny maintimolaly rehetra nahazo soa teny”, hoy ny filohan’ny komity mpikarakara sady mpampianatra ao amin’io seha-pampianarana io, ny jeneraly Randrianirina Jean José Désiré.
Vonjy




