Nanao fizarana momba ny tantaran’i Etazonia sy ny maodelin’ny demokrasia amerikanina tetsy amin’ny ENS Ampefiloha ny mpanolotsaina lefitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho Amerikanina, i Alex Burns.
Fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny ENS amin’ny fanamafisana ny fampianarana ny teny anglisy sy ny fifanakalozana ara-kolontsaina izao hetsika izao.
Ity no andiany faharoa amin’ireo fizarana intelo miantaona hataony ao anatin’ny hetsika fanamarihana ny faha-250 taona nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia na ny “Freedom 250 ».
200 ireo mpianatra avy amin’ny sampam-pianarana Toekarena sy Siansa sosialy, Tantara sy Jeografia ary Anglisy no nianatra momba ny fototra iorenan’ny demokrasia amerikanina sy ny fivoarany.
Tanjona ny hampitomboana ny fahalalan’ny mpianatra sangany avy amin’ity sekoly ambony ity momba ny tantara sy ny kolontsaina ary ny soatoavina demokratika amerikanina.
Nahaliana ireo tanora nanotrona ny dingana nahazoan’i Etazonia fahaleovantena ary nahafahan’izy ireo nanao fampitahana sy tsoa-kevitra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara.
Tatiana A




